Psalms 44

Fivavaky ny Isiraely nony saiky resim-pahavalo, nefa tsy nahafoy an’ Andriamanitra

Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ ny Koraïta. Maskila.

1

2Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay nilaza taminay ny asa nataonao tamin’ ny androny, dia tamin’ ny andro fahiny. 3Ny tananao no nandroahanao ny firenen-tsamy hafa, fa izy kosa nampitoerinao; efa nampahorinao ny firenena maro, fa izy kosa nataonao mahafeno tany. 4Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany, ary tsy ny sandriny no namonjy azy; fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan’ ny tavanao, satria efa sitrakao izy. 5Hianao dia Hianao no Mpanjakako, Andriamanitra ô; Mandidia famonjena ho an’ i Jakoba. 6Hianao no hanosehanay ny fahavalonay; ny anaranao no hanitsahanay izay mitsangana hamely anay. 7Fa tsy ny tsipikako no itokiako, ary ny sabatro tsy hahavonjy ahy. 8Fa namonjy anay tamin’ ny fahavalonay Hianao, ary ny nankahala anay dia nataonao menatra. 9Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva; ary ny anaranao no hoderainay mandrakizay. [Sela.] 10Fa efa nanary anay ianao ka nampahamenatra anay, ary tsy mba mivoaka miaraka amin’ ny antokon’ ny miaramilanay Hianao. 11Ataonao miamboho ny fahavalonay izahay, koa ny mankahala anay dia nanaram-po namabo. 12Atolotrao tahaka ny ondry hohanina izahay, ary aelinao any amin’ ny firenen-tsamy hafa. 13Mivarotra ny olonao tsy vola tsy harena Hianao, ka tsy mahazo tombony amin’ ny vidiny. 14Ataonao fandatsan’ ny olona miray monina aminay izahay, dia fanakora sy faneson’ izay manodidina anay. 15Ataonao ho ambentinteny amin’ ny firenen-tsamy hafa izahay, dia fihifikifihan-doha amin’ ny olona maro. 16Tsaroako mandrakariva ny fahafaham-boninahitro, ary efa manafotra ahy ny fangaihaizako, 17Noho ny feon’ ny mpanaratsy sy ny mpanamavo, noho ny fahavalo sy ny mpamaly ratsy. 18Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino anao izahay ary tsy mivadika ny fanekenao. 19Tsy mihemotra ny fonay, ary tsy miala amin’ ny lalanao ny dianay. 20Nefa Hianao nanorotoro anay teo amin’ ny fitoeran’ ny amboadia
Na: jakala.
sy nanarona anay tamin’ ny aloky ny fahafatesana.
21Raha nanadino ny anaran’ Andriamanitray izahay, na nananty tanana tamin’ ny andriamani-kafa, 22Tsy handinika izany va Andriamanitra? Fa Izy mahalala ny miafina ao am-po. 23Fa noho ny aminao no amonoana anay mandrakariva; toy ny ondry hovonoina no fijery anay. 24Mifohaza, ry Tompo ô, nahoana no matory Hianao? Mitsangàna, aza manary mandrakizay. 25Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manadino ny fahantranay sy ny fahorianay? 26Fa miankohoka amin’ ny vovoka ny fanahinay, miraikitra amin’ ny tany ny kibonay. 27Mitsangàna hamonjy anay, ary avoty izahay araka ny famindram-ponao.
Copyright information for Mg1865